Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

GSTIC : Atrikasa fanaovana jery todika ny asa vita hanatsarana ny fomba fiasa

Tao aorian’ny fandalovan’ny rivodoza nifanesy tamin’ity taom-pahavaratra 2021-2022 ity, dia niara-nivondrona  indray ireo mpisehatra amin’ny haitao ara-kajy mirindra na « Nouvelles Technologies de l’Information et de la Communication » ao anatin’ny GSTIC (Groupe Sectoriel Technologies de l’Information et de la Communication) nanatanteraka atrikasa fanaovana jery todika ny asa vita tamin’ny lasa ahafahana manatsara ireo paik’ady entina miatrika ny taom-pahavaratra manaraka. Ny GSTIC dia anisan’ireo rantsa-mangaika niara-nisalahy tamin’ny fanjakana nandritra ireny vanim-potoanan’ny rivodoza ireny. Tao anatin’izany ohatra ny fanaovana tombana ny fahasimbana tamin’ny alalan’ny fampiasana « drones », sy ireo fanangonam-baovao samihafa ahafahana mamaly ny filan’ny vahoaka izay niaram-boina.

Ny tanjon’ity atrikasa ity dia ny fanatsarana ny fahaizana mifehy ny teknolojia momba ny haitao ara-kajy mirindra eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza. Zava-dehibe tokoa ny fampiasana fitaovana manaraka ny toetr’andro eo amin’ny lafin’ny fifandraisan-davitra entina manafaingana ny fampitam-baovao ahafahan’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga mandray fepetra ara-potoana.Tafiditra tanteraka ihany koa ao anaty paik’ady nasionalin’ ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza ny fanaovana jery todika ny asa vita entina manatsara ny fomba fiasa ao anatin’ny fiomanana sy ny fitantanana ny hamehana.

Naharitra roa andro ity atrikasa ity izay notanterahina tao amin’ny « Hôtel Carlton », nanomboka ny Talata 05 Jolay 2022. Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Tale Jeneralin’ny BNGRC, ny Jeneraly ELACK Olivier izay notronin’Andriamatoa Cherif Mahmoud, Chef de Section ITC eo anivon’ny Programme Alimentaire Mondial (PAM).

Ny Programme Alimentaire Mondial(PAM) moa no mpiara-miombon’antoka tamin’ny fanantontosana ny atrikasa.