Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

MANAMAFY SY MIANTOKA NY FITARIHANA NY FANDRINDRANA NY FITANTANANA NY LOZA SY TANDINDONDOZA ENY IFOTONY NY SOLOTENAM-PANJAKANA.

Fantatrao ve fa ny solotenam-panjakana (Représentant de l’Etat) no Tompon’andraikitra voalohany amin’ny fandrindrana eny ifotony ny asa rehetra atao amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza? Araka izany, raha ny lalàna sy ny didim-panjakana ary koa ireo rijan-teny isan-tsokajiny no zoviana, dia tsara ny mahafantatra fa ny solotenam-panjakana no Filoha mitarika ny Komity mitantana ny loza sy ny tandindondoza eny ifotony.

Anjarany araka izany no mampivondrona an’ireo Tompon’andraikitra sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra ao anatin’izany sehatr’asa izany mba ahafahana mampihena ny tandindondoza eo amin’ny vahoaka ao anatin’ny fari-piadidiany, manentana azy ireo mba handray andraikitra hanatsarana ny fiomanana amin’ny mety ho fiavian’ny loza, sy ny fandrindrana ny fiatrehana ny loza mihatra ary koa ny fandaminana ny  asa fiharenana fohy ezaka sy maika tokony atao. 

Mifanome tanana hanamora ny asa mavesatra izay sahanin’izy ireo amin’izany ny BNGRC amin’ny alalan’ireo solotena eo anivon’ny biraom-paritra izay napetraky ny mpitondra eto amin’ny Firenena hanatsarana hatrany ny fandraisan’ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza an’ilay vina sy tanjona napetrak’Andriamatoa Filoha, Andry RAJOELINA: :”Fanjakana manakaiky vahoaka”.

Marihina moa fa na izany aza dia samy manana andraikitra mafonja ao anatin’izany fitantanana ny loza sy ny tandindondoza izany ny olom-pirenena tsirairay avy ary ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany isan-tsehatr’asa. Ny fanarahana an-tsakany sy an-davany ny fandaminana izay apetrak’ireo Solotenam-panjakana eny ifotony sy ny BNGRC dia antoka iray hampitombo ny fiantraikany tsara amin’ny asa fifanomezan-tanana sy fifanampiana ataon’ny mpiantsehatra tsirairay.

 

#MID

#BNGRC