Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

NANDEFA MOTOPOMPE TANY AMIN’NY FARITRA ATSIMO ANDREFANA,MOROMBE NY FILOHAM-PIRENENA.

Notanterahina nanomboka ny 17 Martsa 2023 tao amin’ny Distrikan’ny Morombe, faritra Atsimo Andrefana ny fitrohana ireo rano miangona manerana ny tanàna vokatry ny fandalovan’ny rivodoza FREDDY, tsara ho marihina fa nanome toky ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny handefa ireo fitaovana ireo hanampiana ny mponina.

Avy hatrany dia nandefa “Motopompe” ny Filoham-pirenena amin’ny alalan’ny Birao Nasionaly Misahana ny Loza sy ny Tandindondoza (na BNGRC) hanalana ny rano miangona rehetra manerana ny tanàna izay tena manimba ny fifamoivozana sy ny fahasalaman’ny mponina.

Ny lehiben’ny Distrikan’i Morombe, RAMAHA Rakotoniaina Ando no notolorana izany fitaovana izany.

Fisaorana sy fankasitrahana no nambaran’ny lehiben’ny Distrikan’i Morombe ho an’ny Fitondram-panjakana sy ny BNGRC, amizao famaliana avy hatrany ny antso izay nataon’izy ireo izao.

 

#MID

#BNGRC

#izaytsarafiomananatsyhotampohinnyloza