Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

Nandray ireo manampahaizana japoney momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza ny tale jeneralin’ny bngrc

Manatanteraka tetik ’ asam-pikarohana mikasika ny fampihenana ny loza sy ny tandindondoza ny sampandraharaha japoney misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (Japan International Cooperation Agency – JICA), ary amin’ny alalan’ny fanadihadiana atao ao amin’ny Firenena maro aty amin’ny Faritra atsimon’ny Afrika no isany hitondran’izy ireo izany tetik’asa izany.
 
Isan’ny Firenena ifantohan’izany fikarohana izany i Madagasikara noho ny maha Nosy tena marefo amin’ny fiovan’ny toetr’andro azy.
 
Ny tanjona moa dia ny hamakafakana ny zava-misy amin’izao fotoana izao mikasika ny tranga mety hitera-doza aty amin’ireo Firenena voafantina amin’izany. Nojerena manokana tamin’izany ihany koa ny paik’ady rehetra misy izay noraisina mba hampihenana ny tandindondoza sy ny loza, indrindra ny fampidirana sy fandraisana ireto ho laharana-pahamehana ao amin’ireo paik ’ adim-pampandrosoana rehetra izay misy.
 
Noraisin’Andriamatoa Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja, Tale Jeneralin’ny BNGRC , araka izany ny solotena avy amin’ireto manam-pahaizana Japoney ireto mba ifampizarana ny vaovao, ny zava-bita sy ny traikefa mikasika izany fampihenana ny loza sy ny tandindondoza izany izay mety afaka aparitaka avy amin’ny BNGRC .
 
Inoana tanteraka fa mety hanatsara ny hevi-dehibe afaka aravona ao anatin’ny vokatra andrasana amin’ity fikarohana ity ny fandraisan’anjaran’ny BNGRC .
 
Nanamarika moa ity Manamboninahitra Jeneraly voalaza etsy ambony ity fa na dia ilaina aza ny asa vonjy taitra sy vonjy maika atao anatin’ny hamehana dia laharana-pahamehana eto Madagasikara amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza ny fitohizan’ny asa tokony hiandraiketana eo amin’ny vanim-potoanan’ny hamehana, ny fiarenana ary ny fandrindrana (Nexus Urgence développement). Tsy hisy fandrosoana maharitra afaka antenaina raha tsy hatao manan-danja sy hamafisina ny fampihenana ny tandindondoza sy ny loza.”