Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

NIDINA IFOTONY TAO AMIN’NY DISTRIKAN’ANTANANARIVO-I NY IDMC,NY CUA ARY NY BNGRC.

Mitombo hatrany ny mpifindra monina anatiny eto Madagasikara tao anatin’ny efatra taona nifanesy nohon’ny fiovaovan’ny toetr’andro, na koa vokatry ny loza voajanahary. 

Manodidina ny raika amby sivi-folo sy fitonjato na 791 no isan’izy ireo ankehitriny raha ny ao amin’ny fokontany Ambalavao Isotry, Distrikan’Antananarivo-I.

Tonga teny an-toerana ny IDMC(Internal Displacement Monitoring Centre) ny Talata 13 Jona 2023, niaraka tamin’ny Filoha lefitry ny distrika “ANTANANARIVO-I” MAHATODY JEAN CYRILLE, ny Sefo fokontany “Ambalavao Isotry” RANDRIANARISON Jean Pierre Honoré, ny Sefo fokontany “Ampefiloha” RAMBELOMANANA Nirina, ary ny solontenan’ny “Kaominina Antananarivo Renivohitra” ANDRIANATOANDRO Sitraka, niaraka tamin’ny ekipan’ny Birao Nasionaly Misahana ny Loza sy ny Tandindondoza (BNGRC), nihaona mivantana tamin’ireo mpifindra monina ao an-toerana, nijery akaiky ny andavan’androm-piainan’izy ireo, sy nanadihady ny antony nahatonga azy ireo nifindra monina.

 

 

#MID

#BNGRC

#IDMC