Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

NIFAMPIDINIKA TAMIN’ANDRIAMATOA JANEZ LENARCIC, TOMPON’ANDRAIKITRA AMBONY EO ANIVON’NY KOMISIONA EOROPEANA MISAHANA NY ASA MIFANTOKA AMIN’NY MAHAOLONA SY NY FIATREHANA NY HAMEHANA NY TALE JENERALIN’NY BNGRC

Isan’ireo tompon’andraiki-panjakana nanao fihaonana arak’asa tamin’ Andriamatoa Janez Lenarčič, izay olo-manakaja ary Tompon’andraikitra ambony avy eo anivon’ny Kaomisiona Eoropeana misahana ny asa mifantoka amin’ny mahaolona sy ireo fiatrehana ny hamehana (Commissaire européen en charge de l’aide humanitaire et de la réaction aux crises), tamin’ny fandalovany teto Antananarivo, ny delegasiona notarihan’i Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja, Tale Jeneralin’ny BNGRC. Tao amin’ny efitrano fivorian’ilay trano fandraisam-bahiny lehibe NOVOTEL etsy Ivandry no nanatanterahana izany.

Isany nasian’ity olona ambony avy amin’ny Vondrona Eoropeana ity lanjany araka izany ny fifanakalozany vaovao mivantana miaraka amin’ity manamboninahitra Jeneraly ity amin’ny maha Tale Jeneralin’ny BNGRC azy. Ito farany dia iarahan-tsika mahafantatra fa sampandraharaha eo anivon’ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, izay napetraky ny Fitondram-panjakàna mba handrindra sy hitantana ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena mikasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza eto Madagasikara.

Voaresaka araka izany ny mikasika ny paikady iraisan-tsehatr’asa nenti-niatrika an’ireo loza maro nitranga teto Madagasikara tato ho ato izay (2021-2023) ka niteraka fahafoizana ain’olona, fianakaviana analik’isa traboina ary fahasimbana fotodrafitrasa maro (sekoly, tobim-pahasalamana, lalam-pirenena, fambolena, sns, …) izay nanisy voka-dratsy tanteraka tamin’ny asa fiveloman’ireo fianakaviana tena marefo.

Nanamafy ny Tale Jeneralin’ny BNGRC fa tena ilaina ny fanampiana ao anatin’ny ahamehana mba hanohanana ato anatin’ny fotoana fohy an’ireto farany mba tsy hilentika anatin’ny fahasahiranana lalina ary hanosehana azy ireo sahady hiarina ary handray anjara amin’ny fanatsaràna ny fahaiza-miatrika ny loza ary hitodika sy hiroso, araka izay haingana tratra, mankany amin’ny fiatiana.

Nisaotra manokana ny Vondrona Eoropeana araka izany ny Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja satria maro ireo famatsiam-bola izay nanampy betsaka ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny loza sy ny tandindondoza. Iarahan’ny BNGRC sy ireo sampandraharam-panjakana isan-tsokajiny manatanteraka ireo tetik’asa maro voavatsy vola avy amin’ny fitaleavana ankapobeny misahana ny asa famonjena anatin’ny hamehana sy ny fanampiana miompana amin’ny mahaolona izay eo anivon’ny Vondrona Eoropeana (La direction générale de la protection civile et des opérations d’aide humanitaire européennes (ECHO))  ireo: fanamafisana fahaiza-manao eny ifotony an’ireo komity mitantana ny loza sy ny tandindondoza, fanavaozana paikady, fanatanterahana fanazara-tena fiatrehana ny loza, fametrahana rafi-panairana, sns…

Marihina fa niaraka tamin’Andriamatoa Janez Lenarčič, tamin’izany dinik’asa niaraka tamin’Andriamatoa Tale Jeneralin’ny BNGRC tamin’izany Ramatoa Isabelle Delattre, Masoivohon’ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara sy ireo mpiara-dia aminy, ary koa Ramatoa Sylvie MONTEMBAULT, manam-pahaizana ara-teknika, miasa sy monina any Afrika Atsimo, ary misahana manokana an’ireo tetik’asan’ny ECHO eto Madagasikara.

Fantatra fa isan’ny tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ireto delegasiona avy amin’ny Vondrona Eoropeana ireto ny hitsidika an’ireo asa efa mandeha eny ifotony efa mandroso izay vatsian’izy ireo vola, isan’izany ny ao Mananjary sy any Ikongo.

Niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny BNGRC tamin’izany fihaonana izany ny Sekretera Mpanatanteraky ny CPGU.

 

#EUHumanitarianAid

#UE_Madagascar

#BNGRC