Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

RUP (résilience urbaine) na fahafaha-miatrika ny loza antanan-dehibe.

Notanterahana ny talata sy alarobia lasa teo ny atrikasa fakana ireo hevitra ifotony mikasika ny faharefoana sy fiomanana ny fiatrehana ny loza antanan-dehibe, natao tamin’izany ihany koa ny fametrahana saritany ho an’ny boriboritany 6 eto andrenivohitra mba ahafahana miatrika ny loza mety hitranga ara-boajanahary na avy amin’ny hetraketrakin’ny natiora sy ny olombelona.
Firenena 4 no misitraka izany tetikasa izany eto Afrika dia i Mozambika, Zimbabwe, Lesotho, fisantarana izany ho an’i Madagasikara.

Ny mpandray anjara tamin’ity atrikasa ity dia ahitana fikambanana maro, ONG, orinasa, ny avy ao anivon’ny Kaominina, ny BNGRC ary tsy diso anjara tamin’izany ireo izay manana fahasembanana.
Ny DG ECHO no mpamatsy vola izay fiaraha-miasa miaraka amin’ny PAM sy BNGRC ary ny Kaominina Antananarivo.

Nanokatra sy nanatrika ny atrikasa ny solotenan’ny kaominina andriamatoa RAJAONARISON Ihaja Directeur de la Coordination des projets, solotenan’i PAM ramatoa Aminaya Doucouré Chef d’unité d’analyse et de cartographie de la vulnérabilité (VAM), solotenan’i BNGRC andriamatoa RAHOLINARIVO Solonavalona Paolo Emilio Directeur des études et gestion des risques.