Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

Serasera ho an’ny fiovana(sbcc social and behaviour change communication) sy ny serasera fitantanana ny tandindondoza sy ny loza

Nanatantreka “team building” taty @ Faritra Analanjorofo ny vovonana nasionaly misahana ny serasera ho amin’ny fiovana sy ny serasera ho amin’ny fitantananna ny tandindondoza sy ny loza izay tarihin’ny BNGRC, ho an’ny rafitra rezionaly mpandrindra ny asan- tserasera SRCA (structure régionale de Coordination) eto Analanjorofo. 

Izany dia natao nandritra ny roa andro dia ny faha 19 sy faha 20 ny volana Desambra 2021 tao amin’ny Villa Longo eto anivon’ny Kaominina Mahambo, Distrikan’ny Fenoarivo Atsinanana. 

Ny tanjona notratrarina nandritra izany roa andro izany dia ny fandrindrana ankapobeny ny fanatanterahana ny hetsika sy ny asan-tserasera rehetra eo anivon’ny faritra indrindra ny amin’ny fitantanana ny rivodoza sy ny tondradrano. 

Teo ihany koa ny fanamafisan’orina ny fifandraisana sy ny firaisam-po ny vovonan-tserasera eto Analanjorofo, ny fametrahana ny rehetra eo amin’ny ambaratongam-baovao mitovy amin’ny fiatrehana ny hamehana ho fampandraisana anjara ny fiaraha-monina ary ny farany dia ny fanomana ny fitantanana ny atrik’asa stratejika rezionaly izay hotarihin’ireo ekipan’ny SRCA any Fenoarivo Atsinanana, renivohitry ny Faritra Analanjorofo mandritra ny telo andro, dia ny faha 21 ka hatramin’ny faha 23 Desambra 2021 izao. Ny UNICEF moa no mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola nanohana ny hetsika.