Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

Tolo-Tanana avy amin’ny Fédération des Associations Malagasy de Mayotte na F.A.M.M ho an’ireo mpiara-belona marefo any amin’ny Distrikan’Ambovombe Androy.

Tontosa ny Alaraobia 18 May 2022 teo ny fikasan’ireo ao amin’ny Fédération des Associations Malagasy de Mayotte (F.A.M.M.) ny hanolo-tanana ireo mpiara-belona tratran’ny tsy fahampian-tsakafo any amin’ny Distrikan’AMBOVOMBE ANDROY , izay natao tao amin’ny Birao misy ny BNGRC Ambovombe.

Vokatrin’ny fitsirihina ifotony nataon’ny Fikambanana F.A.M.M sy ny BNGRC Ambovombe , no nahafahana nanao ny lisitr’ireo olona tena marefo tao amin’ny fokontany miisa 5 (Ankilemifioky ,Tsilavadambo , Ankilemamy ,Bevato, Sarehangr) ao anatin’ny Kaominina an Ambovombe ka tokan-trano marefo 500 isa izay ahitana olona eo amin’ny 2.500 isa eo no nisitraka ireo fanampiana toy ny vary ,menaka siramamy ary voamaina avy amin’ny fikambanana F.A.M.M.

Ny BNGRC dia maneho ny fisaorana feno fankasitrahana ny Fédération des Associations Malagasy de Mayotte (F.A.M.M.) ny amin’ny tolo-tanana izay nataon’izy ireo an’ireo olona mbola hita fa marefo tany amin’ny Distrikan’Ambovombe .