Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

TOLIARA : EFA MIZARA FANAMPIANA NY FITONDRAM-PANJAKANA MANOLOANA NY FANDALOVAN’NY RIVODOZA FREDDY

Toliara 1 mikisaka ao toliara faha 2 tapany ambony hatrany Morombe, mitohy ao Toliara faha 2 tapany ambany hatrany Betioky, Ampanihy, eny fa hatrany Ankazoabo, Beroroha ary Benenitra dia nataon’ ilay rivodoza FREDDY nandraingiraingy avokoa na tamin’ny alalan’ny rivotra na amin’ny fiakaran’ny rano izay mbola manahirana ny mponina aty an-toerana hatramin’ny androany.

Amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany amin’ny loza sy ny tandindoza eto MADAGASIKARA ny BNGRC dia mialoha ny nidiran’i FREDDY no efa nandray ny andraikiny ity birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindoza ity :

Voalohany tamin’ny fahatongavana mialoha tamin’ireo toerana efa fantatra fa tsy maintsy handalovan’i FREDDY ka nanao ny fandrindrana rehetra tamin’ny fiomanana mialoha, sy ny fanalana olona mialoha mba tsy hahamafy ny fahavoazana.

Faharoa ny nanaparitaka ireo fanampiana efa voaomana ahafan’ireo olona mila izany ho afaka hiaina ara-dalana indrindra teo @ aratsakafo niampy ny fanampiana avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika ireo ka olona 2000 no nokendrena hisitraka an’ireo pack ppn ahitana menaka savony sira , thon ary CVO izay nalefa tao Toliary I hatrany izay natomboka tamin’ny fanomezana sakafo masaka isaky ny site d’hebergement izany .

Nahazo ny anjarany ihany koa ny tao amin’ny distrikan’i Manja ankotran’ny vary avy amin’ny BNGRC dia nahazo ppn miisa 516 ihany koa ny tao an-toerana.

Niainga halina ihany koa ny anjara fanampiana ho an’i Morondava nahitana vary 7 tonnes sy voamaina 1tonne sy 400kg ary mbola miampy ny pack ppn ho an’ny olona 700 ihany koa avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika.

Fantatra fa hiainga ato anatin’ny 12 ora na 24 ora farafahatarany ny anjara fanampiana ho an’i Morombe, Ampanihy ,Benenitra ,Toliara faha 2 ary Sakaraha raha mbola eo ampiandrasana ny antontanisa avy any Ankazoabo sy Beroroha ny BNGRC ahafahana mandefa ny fanampiana ho an’ireo traboina any an-toerana.

 

#MID

 #BNGRC