Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

TOLIARA : TONGA NITSIDIKA IREO TRABOINA NY PRAIMINISITRA NTSAY CHRISTIAN NO SADY NAMPISAKAFO AZY IREO.

Vao nigadona teto Toliara ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta dia nijery ny Fefilohan’ny Miary Toliary 2, nandritra izany no nijereny mivantana ireo traboina ka nifampiresahany tamin’izy ireo sy nihainoany ny hetahetan’izy ireo .

Iray amin’ireo site d’hébergement telo (03) eto Toliara renivohitra kosa ny eto Antaninarenina (manampy ny site d’ hébergement Ambohitsabo, sy ny Gymnase) izay notsidihan’i Praiminisitra, fa nandritra ny fandalovany teto amin’ny Gymnase kosa no niarahany nampisakafo ireo traboina tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana sy ny BNGRC, ka nilazan’ny Praiminisitra fa amin’ny fotoan-tsarotra toa izao no ahalalana ny tena namana ka tonga ny tenany misolo tena ny fitondram-panjakana hankahery ireo traboina no ihany koa hijery akaiky azy ireo.

#MID

#BNGRC