Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

TONGA NITSIDIKA IREO TRABOINA ANY ATSIMO ANDREFANA NY FILOHAN’ NY REPOBLIKA MALAGASY, ANDRY RAJOELINA SY RAMATOA VADINY.

Ny Asabotsy 11 Martsa 2023 no nigadona tao Toliara, ny Filohan’ny Repoblika Malagasy, Andry RAJOELINA sy Ramatoa vadiny Mialy RAJOELINA, nanotrona izany ny Tale Jeneralin’ny BNGRC, ny Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja. Nijery akaiky sy nitondra fanampiana ho an’ireo mpiara-monina traboina tao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.

Fizarana sakafo mafana ho an’ny olona 900 no nanombohan’ny Filoham-pirenena ny diany tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana, tao amin’ny Lycée Antaninarenina no nampisakafoanana ireo vahoaka traboina. Marihina fa izao no natao dia nohon’ny fiatraikan’ny fandalovan’ny rivodoza FREDDY.
Misy ihany koa ny fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Birao Nationaly Misahana ny Loza sy ny Tandindondoza (na BNGRC).

Ireto avy izany fanampiana izany :
Toliara 1
– Isan’ny olona traboina : 6242;
– Isan’ny tokatrano : 1452;
. Vary: 37,500 tonnes ;
. Voamaina: 04,5 tonnes ;
. Menaka: 1500 litres.

Morombe
– Isan’ny olona traboina : 27 606 ;
– Isan’ny tokatrano : 5848 ;
. Vary : 150 tonnes ;
. Voamaina : 17,550 tonnes ;
. Menaka : 5850 litres

Tsara ho marinina ihany koa fa noho ny fandrindrana nataon’ny BNGRC dia nanampy antsika ny PAM(Programme Alimentaire Mondial). Fanampiana 33 Tonnes tao anatin’ny 62,5 Tonnes dia ny PAM no nanome azy.

#MID
#BNGRC
#izaytsarafiomananatsyhotampohinnyloza