Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

VATO NIANJERA TAO AMIN’NY FOKONTANY AMPARIBE | NIDINA IFOTONY NY BNGRC.

Vato lehibe iray no nianjera avy tao Ambatovinaky no nilatsaka tao amin’ny fokontany Amparibe ny Alahady 14 May 2023 alina.Vokany , tsy nisy ny aina nafoy, fa ny trano no nahitana fahasimbana, satria nidoboka tao antrano ilay vatobe.

Nidina ifotony ny ekipan’ny Birao Nasionaly Misahana ny Loza sy ny Tandindondoza, niaraka tamin’ny filohan’ny fokontany Amparibe, Ramatoa RANDRIAMPARANY Lalasoa, ny sampana mpamonjy voina sy ny Kaominina Antananarivo renivohitra.

Efa misy ihany koa ny fanentanana ataon’ireo tompon’andraikitra, mba hialan’ireo olona rehetra mipetraka eny amin’ny faritra atahorana rehetra.

Manentana hatrany antsika monina eny amin’ireny toerana ahiana hisy loza ireny mba hiala sy hampandre ny tompon’andraikitra.

 

#MID

 

#BNGRC