Efa roa andro mahery izao no nahatongavan’ilay angidim-by eto Madagasikara. Ny Vondrona Eoropeana no namatsy vola ny fahatongavan’izany fitaovana manan-danja izany ary iarahana miasa amin’ny PAM sy ny UNHAS.
Natoby vonjy maika any Mananjary izy io mba ahafahana manakaiky avy hatrany ny kaominina sy ireo Distrika tena efa ianjadian’ny tsy fanjarintsakafo mahery vaika toy ny Distrikan’ny Ikongo, Midongy ary koa Befotaka.
Tsy vitan’izany fa isan’ireo toerana afaka misitraka ny fitondrana entana fanampiana ary ampiasana an’ilay angidim-by koa ny mandeha mankany amin’nireo kaominina maro izay ahitàna fahasarotana ny lalana mandeha mankany.
Efa maro ny mpiantsehatra no efa afaka nisitraka ny fisian’izany fitaovam-pitanterana an’habakabaka izany ka nampitondra ny entana fanampiana maro izay tiany hoentina mankany amin’ireo Distrika maro tokony ahazo an’izany anjara fanampiana izany.
Ny BNGRC no mandrindra miaraka amin’ny UNHAS sy ny PAM ny fampiasana an’io angidim-by io mandritra ny fotoana ijanonany eto Madagasikara.
Marihina fa ny MI8 dia isan’ireo angidim-by goavana sy matanjaka ary mety mahazaka entana hatramin’ny 4 taonina indray mandeha raha tena feno ny fepetra rehetra ahafahany misidina mitondra izany.
Isany nisantatra sy tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy an’izany sidina amin’ny alalan’ny angidim-by izany ilay olo-manan-kaja ambony avy ao amin’ny Kaomisiona Eoropeana, Andriamatoa Janez Lenarcic, sy ramatoa Isabelle Delattre Burger masoivohon’ny Vondrona Eoropeana ary i Ramatoa Pasqualina Di Sirio, solontena maharitry ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana misahana ny sakafo (PAM).
#MID
#BNGRC
#PamMadagascar
#UNHAS
#EUHumanitarianAid
#UE_Madagascar